NY NAMAKO (endrika01) (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NAMAKO


NY namana ny namako ny tena namana
Dia sokajy tsy mitovy ka sahiko hiangarana
NY tena namana raha mandre resaka ao am-badika
DIA hijoro hatrany hatrany tsy hisy iray hivadika.



TSY ireo izay mandray ny tanako ihany
NO lazaina hoe namako eto an-tany
FA na mainty,na mena na ny fotsy volo
DIA ho lazaiko anao fa namako daholo.



ENY an-dalam-be,hatrany am-pianarana
TSY tambo ho voahisa 'reo eo am-baravarana
ANY an-tokan-trano hatrany am-piangonana
Mihoatra lavitra noho izany tsy hisy mihintsy ny fialonana




AO amin'ny toeram-piasana,amin'ny fiara fitaterana
TSoriko aminao fa ireo no fanamperana
TSY hijery ny habikany na ny hatsaran-tarehy
FA ny fahaizan'izy ireo mahay mampihomehy.



Raha sendra olana adin-tsaina ,zavatra mampalahelo
Dia indro akaikiko eo misy roa na telo
Indrreny mifandinika amin'ny fampitana ny hafatra
Eny vonona izy ireo hoan'ny tsara sy ny lafatra.



Ny adiady fosafosa,takoritsika mandalo
Kanefa ireny tsy natao hampifahavalo
Maro ireo nitetika handrava 'zay kasaina
Ka lasa niova lalana satria tsy tonga saina



Ny namako dia tsy ho azoko lazaina
Ho toy ny rano mora ritra

Ny namako tiko ho tena namana
fa tsy ho voaly mora triatra



NY NAMAKO..........
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1970 2
Hevitra mandeha
Zozoro ( 09/09/2008 17:11)
Tsara an !
endrika01 ( 14/09/2008 09:21)
ny diam-peniko ve?
ahitsio zah raha
misy tsy ampy e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097