RY TANIKO! (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY TANIKO!


Fa nahoana loatra ianao ry taniko
No mijaly toy izao ?
Angamba tsy ho avy amiko
Fa iza loatra mba lazao ?


Notapahiny ny tongotro
Mba tsy ho afaka hamindra
'Lay ranomaso tsy voatana
"Hay fanon-ganam-panjakana


Notapenany ny masoko
Mba tsy hahita 'zay ataony
Tsy nahataitra ny rehetra
"lay habibina herisetra


Nohidiny 'zany vavako
Mba tsy ho afaka miteny
Izaho tsy afaka ny hitsoaka
'Hay tsy hainy ,ilay hevi-bahoaka


Nolotoiny ireo hany lalan-dra
"zay mamelona ny tenako
Tsy hainy akory ny lalana
Hoentiny hamehy ,'reo teti-dratsy higagana


Holokoiny zany saiko
Hafangarony hafa loko
ka mijaly mahonena
Tsy hainy ny manavaka,ilay sainam-pirenena


Motsamotsaniny ireo taovako
Iadivany tsiroaman-tany
mba ho hanjakan'olo-tokana
Ireo harena ambanin-tany


Mangovitra aho mipararetra
Satria nodorany avokoa
Ireo fanomezan'ny Nahary
Dia ireo hazohafakely,sy ny zava-boahary


Izaho ilay Madagasikara
Misary tongotra an-kavia
Tsy hainy ny mikarakara
Ka tsy ho ela,dia hikodia


Hay ve ry Taniko
Mijaly toy izany ianao
'Lay nanorenako ny ankaniko
Ho paradisa soa hatramizao


Raha mbola eo ny heriko
Ahafahako miteny
Dia homeko anao ny teniko
Ho anao irery,ry Gasikara Reny!





(mbola hitohy....)
--------
Rohy:
2678 1
Mpakafy: oliviah
Hevitra mandeha
oliviah ( 01/07/2009 13:36)
IO NO NOSINTSIKA !
endrika01 ( 02/07/2009 05:01)
Mba eritreritra nandalo ihany e!
ANJARA7 ( 16/07/2009 13:01)
tena tsara e!tena tia tanindrazana indry!
endrika01 ( 18/07/2009 15:19)
ANJARA7>misaotra ! :D
Arofanina ( 05/06/2015 07:30)
Enga anie ho afo tsy hety ho levona ato am-pontsika ny fitiavan-tanindrazana !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149