TOLOKO (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOLOKO!!!!



Ity foko manirery
lavi-tiana an-tanin'olona
eny ekeko fa tsy an-tery
raha mafy zany tolona

Ho giazako mangiana
na ho mety fahantrana
sy hahatonga fahoriana
lay toloko tsy voatana

Hokoloiko fatratr eny
mba tsy handratra ny olon-tiana
tsy ho tanisaiko an-teny
na ho averiko ombieny

Ry toloko ô! ampangino
'lay talahonao iny
eny!mety tsy hampino
ireo lasana fahiny

Efa niezaka aho ny hamehy
ireo toloko tato am-poko
nefa indrisy ny tarehy
no nanan-kevitra misoko!
--------
Rohy:
2733 1
Hevitra mandeha
Mysento ( 25/08/2009 11:38)
lavi-tiana angah!
endrika01 ( 11/10/2009 04:40)
lavitriny havana tiana!De mirediredy
nyratsima ( 13/10/2009 16:08)
tsara ny aingapanahy e !
endrika01 ( 14/10/2009 19:30)
Sotsa e!
andry 1000 ( 17/04/2015 08:46)
tsy rediredy kah!! efa nisy fotoana toa anao koa za!! fa tsarovako ny taniko, de tandrovako ny teniko..fa rehefa irery ianao de miainga ho azy ny fanahy e! tsara le tononkalonao
endrika01 ( 17/04/2015 08:50)
zany an,marina tokou izany! misaotra é!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151