Amboaran-tsiky vao (Esther Randriamamonjy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao ho lasana any
iny taona lasana iny
sy ny sento sy tomany
Ary aza omena tsiny ;
Mbola hisy ny Masoandro
Mbola hisy hazavana,
Mbola hisy hafanana,
Mbola hisy ny maraina
Maro be tsy tambo isaina.

Koa raiso ity amboara atolotro anao,
noho ny TAONA VAOVAO,
hatolotro eto anio amim-po madio :
Amboaran-tsiky vao ho mirana sy faly
hasolo ireo omaly navalon’iny taona lasana nimaona.
Amboaran-tsiky vao, hikosoka ny sento
dia senton-dranomaso, senton’ny misaona.

Amboaran-tsiky vao, tsiky manantena ho avy soa mamiratra
Isanandro iray mihiratra.
Amboaran-tsiky vao feno fikasana hahomby hatrany hatrany,
Ho lavitra tomany.
Ny asa izay hatao hamokatra avokoa.
Ny aloka miserana hisinda ihany koa.

Dia misaora indray ny Ray,
Fa Izy hatrizay, Izy mampatoky, Izy manavao
Izay rehetra momba anao,
Na andro izay na alina, tsy misy iray hadinony
Ny fitiavan-tsarobidy efa notononiny.
--------
Rohy:
1026 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Esther Randriamamonjy
Nampiditra : jantina
Daty : 09/08/2019 13:08
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093