MBA ANDRAMO... (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA ANDRAMO...

Raha mbola tsy nahatsapa fa mangidy ny mitia
...'ndehana aloha mamitaka.
Mitiava, avy eo misintaka rehefa mahazo maminy.
'Ndeha koa mampirafy!
Dia aza mihafihafy, fa maromaro iarahana
Ary aza hisarahana raha tsy efa lany tsiro.

Aorian'ireo,
Mitiava olon_tokana 'zay tena maminao
Fa manomboka eo, dia hisotro ngidy ianao.
Manomboka eo haratra tsy hahita fanafody
Eo ianao hahatsapa, fa...
Mitodika aminao ny tsiny sy ny tody.
Hanody anao ny ratran'ny olona voafitaka.

Hahatsapa ianao, hahatsapa...
Handre ianao, handre...
Hahita ianao, hahita...
Ny valin_java_bita,
Handrotika sy handrava ny fonao tsy an_kitsitsy.
Ho tsapanao tanteraka
Ny ngidin'ny fitia, tsy mbola niainanao mihitsy.

saino!
FahNamby
30/12/17
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1122 1
Mpakafy: rfahendrena
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : rfahendrena
Daty : 10/01/2018 04:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143