MBOLA TIA (FahNamby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA TIA...

Mbola mitamberina tsy mety mikorisa
manaraka ny lasa ny nisy tamintsika.
Matetika no tsapa sy re mandona foana
ny zavatra niainana navalon'ny fotoana.
Eny e!
Tsotra raha ny marina...
Mbola tia anao ny foko manontolo,
Manjary fiainan'olona iriako ho fantarina
Ny mombanao tontolo.

Mibaribary foana mameno ny habakabako
ny anaranao mazàna.
Dia lasa tabatabako sy hirako matetika
ny "mbola tia anao" misisika tsy tàna.
Mafy loatra 'zao e!
Ny tena hoe tsy zakako amin'ity tantara ity?
Izaho 'lay hoe namitaka,
Izaho 'lay hoe nandao!

Raha ny tao am_poko tao, nandroatra fahasambarana
Nisaina fitambarana na inona herisetra
lalovantsika roa...
"Ny lavitry ny maso, lavitry ny fo"
Tsy marina io raha amiko,
F'ianao na tsy hitako aza, dia...
Nekeko ho tiana foana,
F'indrindra mbola mamiko.

Any indray andro any a!
Hiriako isika hiresaka sy hitafa samirery
Ho tantaraiko anao ny tena misiterin'ny
fo anatiko ao.
Tiako ho fantatrao fa, tia aho, mbola tia...
Mbola manantena ny fiverenanao
Na ho ela na ho aingana.

Miverina mangina misoko 'ndray ny lasa,
Mikisaka manatona tsimora ny tsiaro...
tantara ireny sisa, kanefa 'zao fantaro!
Na tiana na tsy tiana,
Mandainga ianao raha toa, hilaza fa voafafa
ny mombamombantsika.
Mbola tia ianao e!

FahNamby
28/02/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2234 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FahNamby
Nampiditra : rfahendrena
Daty : 05/03/2018 15:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109