FOIKO (fanasina7)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Foiko…
Omeko anao
Na an-kamorana na an-kasarotana
Na iza koa tsy faly, na iza koa hisompatra
Omeko anao daholo
Ny fitiavako rehetra
Ary tsy mba hasiako fetra.

Foiko…
Omeko anao
Na iza te-hibahana
Na iza te-hanakana
Na iza te-hangalatra
Omeko anao daholo
Ny foko manontolo
‘Zay vonona hikolo
Ny fifankatiavantsika roa.


Foiko…
Omeko anao
‘Zay mety ho fahaizana
Sy herin-tsaina tsy hay laizina
Ny finoana ato anaty
Tsy hitsahatra hitady
Mandra-pahafaty
‘zay hivelomantsika.
Omeko anao daholo
‘Zay rehetra mety hananako
Foiko, tsy ho tànako, tsy sakanako.

1997F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1647 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101