HAHADIMBY ANARAN-DRENY (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAHADIMBY ANARAN-DRENY

Ry zanako !

Raha misy fanomezana, dia ianao no "Sarobidy"
Tsy hita holanjaina, tsy hay tombànam-bidy
Ny vola aman-karena, tsy misy azo ampitahaina
Satria ianao ry zanako, dia tena sombin'ito aina.

Ry zanako !

Ianao no fifaliako, ianao no reharehako
Ianao no tabihako, amin'ny androm-pahanterako
Ianao no mameno, izay banga ato anatiko
Eny, tsy ho afaka am-bavako, mandrapahafatiko !

Ry zanako !

Raha ankalazaina, sy tsarovana anio
Ny nahaterahanao, dia izao no tadidio :
Fa mbola tsy hàry akory ianao, dia efa nankalazaiko isanandro
Ato am-poko, tsantain'ny vavako, raha mbola miposaka ny masoandro

Koa mahaleòva mahalasàna, ho hambinin-java-tsoa
Eny, hotahian'ny Tompo e, ka ho lasa alavitra tokoa
Ho tò daholo izay hirìna, hisònga avo ombieny ombieny
Ho henin-kaja sy voninahitra, ary hahadimby anaran-dreny.

"Joyeux anniversaire !"

*** fanasina7 ***
012309192146
(mpanoratsora-poana)

Rohy Pejy Fesiboky :
--------
Rohy:
732 1
Mpakafy: ari.malala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149