KIFOSAM-PIALONANA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KIFOSAM-PIALONANA

Ramatoa :
Ô rangahy a, avia anie topazo maso
Ry zareo ato atsimo, mifampiantsoantso
Misy fiara be io, irony mpitondra entana
Asa inona no ao, no dia faly ery iry vendrana !

Rangahy :
Raha iny baoritra batainy iny, dia toa fahitalavitra
Anefa izay tena ao anatiny, tsy misy mahavoafaritra
Mety fripy no ao anatiny, fa mba te hisehoseho
Fa na ny nohaniny omaly aza, vao hotadivindry zareo.

Ny ankizy :
Sady ry zareo ry papa an, rehefa mihinam-bary
Dia tsy mba misy hoe desera, tsy mba misy hoe lasary
Ka raha ny ao anatin'iny baoritra iny, dia tsy pôsibla* ho tele
Fa raha ny fari-piainandry zareo, dia tsy hahavidy lafobe.

Ramatoa :
Raha tena tele iny, dia mety azo tamin'ny halatra
F'ilay rangahy ao "hono" mpisoloky, efa be no mahafantatra

Ny ankizy :
Ilay lahimatoa aza "hono", toa mpisam* eny analakely
Ilay vavimatoa indray, toa manao makorely.

...

Rahoviana ny fialonana, vao ho afaka amin'ny Gasy
Fa raha ny kifosa no balam-basy, dia efa betsaka no maty.

*** fanasina7 ***
062809190722
(mpanoratsora-poana)

Rohy Pejy Fesiboky :
--------
Rohy:
659 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148