MANALA BARAKA VEHIVAVY (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANALA BARAKA VEHIVAVY

Tsy hoe ny vehivavy foana no tiana tsikeraina
Na sanatria ankahalaina, satry homena tehamaina
Fa tena misy kosa, manao fitafy mampihomehy
Na eny an-tsena io, na eny an-dalambe.

Atao hoe adala, nefa toa misy saina ihany
Atao hoe olon-kendry, nefa dia tena be vinany
Efa programany izao, handeha hijery fripy
Dia indro ny akanjo anaovany, f'irony mampiseho silipy.

Tsy ankizy, tsy tanora, fa hatramin'ny efa "rabaofy"
Dia manao akanjo manify, mampiseho ny kilaoty
Ndao hatao hoe : tsisy fitaratra ao an-trano
Fa dia tsy tonga saina mihitsy ve, nefa ianao tsy olo-mamo.

Ny sasany moa dia be famaliana : "inona moa no idirana ?
Samy manana ny fiainany io, ka aza atao mampanahirana"
Tsy fantany fa ny masirasira kely, dia mampangidy rano iray siny
Eny, manàla baràka vehivavy, ary mampibabibaby tsiny.

Ny mpaka sary moa tsy tàra, mody mijery toa spekta
Ny mitsikilokilo aza atao, maika fa mahita sinema direkta !

*** fanasina7 ***
031109192141
(mpanoratsora-poana)

Rohy Pejy Fesiboky :
--------
Rohy:
769 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161