Modia ianao ry zanako (fanasina7)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka !

Modia aty am' Dada, avia aty am' Neny
Aza mampijaly tena, aza miafiafy irery
Fa i Dada tsy hibedy, i Neny tsy handatsa
Fa rano tsy azo raofina, ny hadisoana tamin'ny lasa.

Tsy mba bitsibitsika etsy, na filaza "honohono"
Fa ny masonay no mahita, ity ianao maty vono
Ny tarehy mivindambindana, ny maso mangamangana
Ny famindra mikivila, ila tsy ho tafatsangana.

Koa modia ianareo mianaka, modia aty an-trano
Modia sombinaiko, sao hidirana angano
Tena marary ny fonay, hoe ilay zanaka niadana
Dia nijaly rehefa lasana, ataon'ny vady mangana.

Vitantsika anaka, raha izay hoe zaza iray
Ampahafirin'ny kamboty io, na ireo itsoahan-dRay
Aza ataonao sakana, irony adintsika fahiny
Efa voalevinay ny lasa, efa nivalona iny pejy iny.

...

Irony fitia voaràra, tsy mba nazahoana tso-drano
Dia mazàna mampijaly, rahefa tonga an-tokantrano.

*** fanasina7 ***
072909191146
(mpanoratsora-poana)
--------
Rohy:
Sokajy : Tokantrano - Vehivavy
649 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149