Sipa milay (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo iray mba tena nilay
Efa ela ihany, taona maro lasa izay
No nalefako paositra ho an’azy tany
Hatramizao nefa tsy nisy valiny ihany

Efa mba nataoko niady rima tsara,
satria noeritreretina hipetraka ho tantara.
Tssss, angaha norarahiany akory?
za koa efa leo sy tsy niandry intsony.

Soa ihany aho aloha fa efa nahita,
olona iray tsara, zany ka sipa
Somary bingo sy mahiahia
Raha te-hijery ianao, tongava, avia

Ny masony boribory toy ny kanety
Ny sofiny mitapelaka toy ny sipety
Ny orony gladiny sy ngezangeza
Soa ihany aloha fa tsy mba sondenda

Fa izy aloha raha hihinankanina,
voalohany foana, gisitra ranona.
Mofoakondro, menakely sy mofogasy
Za ary moa avelany mangasihasy

Fa izy rey olona tsy mety matavy
Nefa lerana daholo na akondro na goavy
Mamy, masira, hatramin’ny marikivy
Sao mba be kankana kosa ary izy?

Izy dia sipa tena tsara fanahy
Hainy ny miangoty sy mambabo ahy
Vao miainga ny tànany hoe hanafosafo
Tsy miandry ela aho, tsy misy hoe andraso...
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - Fitiavana
3486 1
Mpakafy: mpiserasera
Hevitra mandeha
fanoM ( 08/08/2009 18:16)
Zaho nanoratra aza mba tapa-tsinay
ahoana ny fahitanao azy, milay?
Io aloha no version n° 1
Mety mbola hisy ny manaraka fa tsy Tin!
mpiserasera ( 09/08/2009 14:19)
Miandry ny tapany faharoa dia avy eo ametraka ilay note amin'izay aho an ! Tsara kah ! :-)
endrika01 ( 10/08/2009 04:17)
Mampahatsiaro ahy an i Razafindrahety zay ilay voasoratrao ery ambony,ny m
endrika01 ( 10/08/2009 04:18)
Mampahatsiaro ahy an i Razafindrahety zay ilay voasoratrao ery ambony ny masony boribory toy ny kanety,ny sofiny mitapelaka toy ny sipety... Tsara lay Vetsonao feno hatsikana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : fanoM
Daty : 08/08/2009 18:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136