Folo taona... (Fara Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Folo taona izay no lasa,
nahitako, natsapako fitsaharana, lovasoa avy aminao
Folo taona tena tiako,
nifalian’ny fanahiko afa-doza, afak’ota satria teo Ianao
Folo taona ihany koa,
nisedraina zava-tsarotra, nampirotsaka tomany
Eny, folo taona izay lasa...
Folo taona tena tiako, niarahantsika namakivaky ity tany

Izany hafaliako lahy tamin’ilay fotoana voalohany nifanenako taminao
Tena ravo ny fanahiko, niova ny tontolo nanodidina ahy toa nanjary vaovao
Dia nahagaga satria indray mipi-maso monja,
ny nanekeko Anao no ela
dia, indro tony ilay foko izay nanonja
nofenoinao fiadanana ilay nandrasako hatry ny ela

Raha izay hendrikao, na fijery na fitsiky, tsy mbola hitako mivantana
Fa ny nahagaga iky, tsy ny nanao an-tery, avy hatrany vonona aho ny hifampitantana...

Tena babonao ny foko, tena babonao tokoa
ka, na izay tiako indrindra aza nafoiko, noho Ianao ry Tomposoa

Dia lasa ny fisainako...
fa mba iza loatra re Ianao no nanova manontolo izany fiainako ?
Ary mba iza koa moa aho no notoloranao fitia
ka, afaka sahady higoka ilay fahasambarana doria ?

Ny valiny mba hitako dia,
Andriamanitra Ianao, Andriamanitra Fitiavana
Ary mpanota aho, mpanota nila fanafahana

Porofon’ny fitiavanao, akoatran’izay efa nanoloranao ny ainao
dia, nomenao talenta aho nihira mba hihira fihiram-baovao
Tsy nanery anefa Ianao fa toy ny fombanao ihany
Nanome ny safidy malalaka hatrany
Navelanao hampiasaiko araka ny faniriako izany talenta izany

Azoko natao ny nitondra ity fanomezanao ho an’izao tontolo izao
Saingy nanapa-kevitra aho Jesosy, satria tia ahy Ianao,
nanapa-kevitra aho "ho Anao"
Fa na ny andro sisa iainako aza, manoloana ny asanao
dia, tsy ho ampy, eny, tsy ho ampy ho entiko milaza fa "tsara Ianao"

Fa ny antsoantsonao ry Tompo, nanohina mafy izay foko
"Iza no hirako ? Iza no ndeha hiraka ho ahy ?"
raha izaho indray no handà na hiova fenitra vaovao
Iza indray no antenaina hizara ilay fitiavanao ?

Efa tapaka ny hevitro, efa tapaka hatry ny ela
Ary havaoziko indray :
Fa ny hirako ho Anao, ny feoko ho Anao mandrakizay

Ny tarigetrako hatreto,
na mbola hifaly aho na hisento
Fanirin’izany foko, hitohy hatrany hatrany an-danitra
Dia ny hoe : Ianao anie Jesosy no omem-boninahitra.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
2206 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fara Andriamamonjy
Nampiditra : tsikiko
Daty : 04/02/2004 18:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101