Fahasambarana (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHASAMBARANA
Raha tojo fifaliana
Faly fa lavitry ny fahoriana
Ka mitsiky ilay tava
Izay efa avy ravarava.

Raha sendra alahelo ihany
Toloko,toa manjombona aok'izany
Manembona,mahatsiaro hatrany
Ireo lasany niainany tany ho any.

Raha zohim-pahoriana
Ranomaso,fahanginana no mihatra
Fa nandao ilay tiany
Na koa ilay havany malalany.

Raha sakaizan-toloko
Ka mamoron-tononkalo
Zary lasa toa milofo
Ilay aingam-panahy izay mandalo.

Raha tahiam-pahasoavana
Sambatra,tretrik'éry
Fa ny fotoana hanasoavana
Mitombo hatrany ka havo roa heny.

Raha ianao no tena tia
Fa nahoana no nampahory
Ity fony mbola tia
Izay efa nizaka ny mafy eny
Ihafiany foana ho doria.
Maharavo.A
--------
Rohy:
956 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146