FIAINANA AN-TANY! (fenohasimpitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINANA AN-TANY!!!!

Maha valalanina tokoa
Ny fiainantsika eto antany
Fa ao ny ratsy, ao ny soa
Ao ny mifaly, ao ny mitomany


Ao ny manana, ao ny mahantra
Ao ny be kibo, ao ny kely tratra
Ao ny miasa mafy, mifoha vao maneno akoho
Ao ny miada-tsaina, sy milamina tokoa


Ao ny milanja angady
Ao ny mandeha fiara
Ao ny mpamongady
Ao ny antsinjara


Ao ny tsy manao kapa, sy tsy mitafy tsara
Ao ny tsy mandeha, raha tsy misy fiara
Ao ny miasa tany, sy manao saribao
Ao ny mivarotra, sy miasa birao


Ao ny mahiratra, tia mikarokaroka
Ao ny votsa saina, matetika vôdaroka
Ao ny mora tezitra, sy be ambo-po
Ao ny malala-tànana, mifanolotra ny soa


Ao ny mivavaka, mpitandrina mihitsy
Ao ny mpangalatra, mamono tsy mitsitsy
Ao ny ratsy saina, ao ny mpamosavy
Ao ny milaza ny marina, tsy manao resaka matavy


Ao ny rovi-damba, sy kapa efa ratsy
Ao ny tsara fitafy, sy mi-"cravatte"
Ao ny tsara trano, sady avo be
Ao ny trano bongo, vita @ "sachet"

Ra-Fen's
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1134 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fenohasimpitia
Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 03/04/2015 08:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098