IARIVO (fenohasimpitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IARIVO

Jereo ity tanàna
'Zay tena nahatamàna
Indrisy simba sy maloto
Feno fako, feno loto

Indrisy ry Iarivo taloha
'Lay tena môdely tokoa
Tsiriritin'ny mpandalo
Sy tsy idiram-pahavalo

Amin'izao fotoana izao
Mila ho potika sy lao
Zôridira etsy sy eroa
Ny aretina miseho avokoa

Isika ve no adala?
Sa ny mpitondra no tsy te ahalala?
Handray andraikitra, hanadio
Io Iarivontsika io.

Ndeha re hiara-hiasa,
Hanala fako zay miavosa
Na ny miasa, na tsy an'asa
Hanetry tena, tsy ho kanosa

Mba hiverenan'Iarivo
Ho Renivohitra madio
Hitombo an-jato, an'arivo
Ny vahiny ho avy anio!

Ra-Fen's
--------
Rohy:
1328 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 08/05/2015 06:20)
ny farany ary dia azo atao fefy manodidina mihintsy le fako ko!
hjravs ( 11/05/2015 06:53)
'ty no tonga amin'ny vazon-dRainintse hoe: "...kisoa sy alika aza nihodidina fa tsisy lalana", aleo lazaina ho'a ny zavamisy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fenohasimpitia
Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 08/05/2015 05:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111