Lavitr'olo-tiana! (fenohasimpitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lavitr'olo-tiana!

Any ianao ry tiako, any alavidavitra any
Izaho aty mangina, misento, mitomany
Mitomany anao, ianao 'lay malala
Malala tiako indrindra, mila ahalasa adala

Tsy marina ny hoe: "lavitry ny maso, lavitry ny fo"
Fa fandemen-tsaina io, ho an'ny kely atidoha
Fa ny lavitr'olo-tina, mampitombo ny fitia
Na tsy hita maso aza, mifanjohy miara-dia

Mihamafy hatrany hatrany ny fitiavako azy
Tena marina io, fa tsy mba vazivazy
Tsy mahavita izay atao, fa toa varimbariana
Mandefa eritreritra, any amin'ilay tiana

Lasalasa saina fa sao misy manadala
'Lay olo-tiako, hisy iantso hoe: "malala"
Izaho aty mifehy tena, tsy mijery vehivavy
Hitandroavako ny dina, sy ny lokalokam-bazivazy

Sambatra aho ry tiako, raha toa ahy ko enao
Mahatandrina ny tena, sy izay mety ho momba anao
Ho lafatra ny fitia, ho tody h@farany
Dia ny fanambadiana, sy izay mety ho tantarany


Ra-FEN'S (15/10/2016 11:03)
--------
Rohy:
3684 3
Hevitra mandeha
LyrainaJha ( 17/10/2016 07:58)
izaho koa nahatsiaro anao hatrany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fenohasimpitia
Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 15/10/2016 08:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118