Mbola hafa ihany ilay fitiavanao! (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Betsaka ny fandrika
Maro koa ny sakana
Fa tsy nahona izany
Notohizana ny lalana
Ka nandeha teny foana
Ireo jamban ny fitia
Samy mody narenina
Tsy nambara fa nafenina

Betsaka ny olona
Feno hatsaram-panahy
Fa mbola ankafiziko
Lavitra kokoa
Ireo toetran ialahy
Maro koa ny tia
Mihoatra noho ireo tiany
Fa aminao aho manan-droa
Ilay fitia sy fifaliana!

Mbola hafa ihany
Ilay fitiavanao!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1817 3
Mpakafy: bo - Mandefitra - orthon
Hevitra mandeha
pijazz ( 11/08/2006 08:51)
mieza mampiasa teny tsy dia fampiasa andavanandro fe tsara ihany koa anefa ny ataonao fa tohizo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152