Ry Hasambarana o! - Fiaritiana
Azo vakiana?
Ry Hasambarana o!
Tsy mba fantatro mihitsy
Hoe misy ve ianao sa tsia?
Efa akaiky ve sa lavitra
Izaho efa sasatra miaritra
Tsy misy aloka akory
Mba mampiomana ahy hitsena
Ilay fahatongavanao
Fa dia eto aho mihenahena
Miandry ny higadonanao aloha
Hatramin izao
Ry Hasambarana o!
Dia tena ho tonga tokoa ve ianao?
Toa miahiahy aho
Tsy dia matoky loatra
Hoe hisy izany hoe sambatra
Raha mbola eto an tany
Nofy angamba izany?
Fa ny inoako dia ny hoe:
Mbola ao ilay fifaliana
Ilay andro mihiratra ho antsika
Fa ny atao hoe tena sambatra
MBOLA SAROTRA VAO HITA!!
Sokajy :
Ahiahy
Mombamomba
Mpanoratra : Fiaritiana
Nampiditra : fiaritianaDaty : 04/11/2005
Mpamangy : 1508
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny fitiavako azySao ianao dia efa tsy tia ahy intsony.
Fo marĂ tra
Tia anao aho...
Iny fitiavako iny
Dans un instant
Fandeferana
Tia sy Tiana
Tsy mijanona eo...
Anio...