You are here: home > Vetso

Tsy avelako kosa anefa.... - Fiaritiana

Azo vakiana?

Avelako ho lasan iny ranomasina iny
Ny lasako rehetra
Fa efa vonona aho
Ny hamadika azy ireny
Toy ny bainga tany
Odian tsy hita izany

Avelako ho tobasan
Iny onja iny
Ny ratrako sy fery
Fa efa ela izay niafiako
Ela no nitomaniako
Tsy avela intsony hiangona
Toy ny lesona tsy hay
Ka hanjary lasa vay..

Fa...
TSY AVELAKO KOSA ANEFA
Ho lasan olon kafa
Ilay fitia efa ho anao
Fa n iza n iza handrahona
Sy mitady haka
Dia efa vonona ao ny totohondry sy ny daka

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

fiaritiana (16/11/2005 13:03:31)

somary mampime ihany ny farany fa aingam panahy daholo reny e!

proost (21/11/2005 12:25:45)

tena tsara ny sangan'asanao dia misaotra t@ fankaherezana eee!!
ho tahian ny tompo

fiaritiana (21/11/2005 15:00:29)

dia misaotra anao koa zà an!!

lapino (30/11/2005 16:57:26)

Ilay tena farany io anefa no tena itiavako an'ilay tononkalo! Ohatra ny tena hita mivoaka avy aminao mihitsy ilay hoe: Pas touche!!!! ;)

fiaritiana (30/11/2005 21:48:38)

tena marina izany, rehefa tena tia dé tiana hoarovana foana ilay tiana!!

Hametraka hevitra

Midira aloha