Tsy haiko aloha aho raha diso!! (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nampiraika anao intsony ve?
Ny fitiavako anao
Amin izao fotoana izao
Toa lasa mangatsiaka
Tsy nampitsiriritra
Toy ilay taloha ireny
Tsy haiko aloha ny antony
Mbola tsy hita ny votoatiny
Fa tsapako ato anaty
Efa mitady tsy ho tanty
Fa marary hiafiana ihany
Ka aleo aloha manontany

Efa ataoko ny azo atao
Izay ampifaliana anao
Nefa toa ny eo ihany no eo
Tsy mbola henoko ilay feo
Manamafy hoe: tiako ianao
Ary mbola tiako hatramin izao

Tsy haiko aloha aho raha diso
Fa aleo hamantatra ny ampitso!!
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
1777 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189