ETO AMPOTOTRY NY PENIKO (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto ampototry ny peniko no amborahako alahelo.
Itomaniako samirery rehefa alina toy izao
Eny! Zovy no hitia dia iza koa no hiantra?
Aleo hitia mangina ity foko tia anao

Ranomaso nirotsaka nanakotsa ny tavako
Ilay tiako indrindra no nampitomany
Zaho ve hanery azy ho tia ahy?
Fa hanjohy azy aho; hiaritra eny ihany

Mantsy, mbola ho tsapany ny fitiavako azy
Mbola ho tsapany ny fiharetako ny filafilany
F'izaho aho aloha ifokofoko samirery
Manirery eto fa tsy eo anilany

Tsy manan-kambo ve aho? Moa ho fahalemeko?
Fantany hoe tomany aho izao fa tsy nafeniko
Nitia aho e! Nanaja azy fa tsy tiany
K'aleoko mitomany eto am-pototry ny peniko
--------
Rohy:
946 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 24/06/2019 14:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147