HERIM-PITIA - Fidy Art Niaina
Azo vakiana?
Aiza ho aiza re ny lalana ombako?
Lalana akaiky no sady manitsy
F'ireo voronkely roa bakobako ????
Mitsaingoka mafy ary koa tsy mitsitsy
Injao mitrena sy mivoavoa
Manenjika mafy avy ato aoriana
Jereo fa romotra be avokoa
Na ny omby masiaka ???? na ny amboakely tiana ????
Indreo raozy dia ????
Mampiranty ny tsilo, mibahana ny lalako
Ny hilofika anefa dia sanatria
Tsy maintsy tonga eny aminao aho ry malalako
Tsy kivy aho ry tiako fa manantena
Ny hanavotra anao no masaka an-tsaiko
Ilay herim-pitia tsy resy resena
Andraso fa efa inty aho sombinaiko ????
Fidy Art Niaina Onjaniaina
Mombamomba
Mpanoratra : Fidy Art Niaina

Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 14/07/2021
Mpamangy : 406
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY LASA NIARAHANA LEITSY AIRIKO
TSY HO FOANA
TOKANA
Ny Tononkirako
NY NAMPISY ANAO ETY
ILAY FASANA HO LAPAKO
ALEOKO MATY
VELOMA RALALA
TSISY INTSONY