ILAY FASANA HO LAPAKO - Fidy Art Niaina
Azo vakiana?
Toerana iray hitoeran'alahelo
Izay rehetra mandalo eo misento daholo
Io ilay toeram-ponenan'avelo
Fitoeran'ny matoatoa sy ny lolo
Milahatra mitomandavana
Lapa fonenan'ny fanahy mireny
Tsy maintsy aleha; tsy misy fandavana
Vata-mitsotra tsy afa-miteny
Izato rindrina vato matevina
Eo amboniny misy tanambokovoko
Ao ireo havanay no milevina
Mba te hitoetra ao koa ny foko
Nisaratsaraka ny vata-nitambatra
Lo sy potika tsy afa-manoatra
Ny faniriako mba hiara-tsambatra
Aminareo havako lasa any Ankoatra
Fidy Art Niaina
Sokajy :
Fahafatesana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Fidy Art Niaina

Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 13/09/2019
Mpamangy : 483
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY LASA NIARAHANA LEITSY AIRIKO
HERIM-PITIA
TSY HO FOANA
TOKANA
Ny Tononkirako
NY NAMPISY ANAO ETY
ALEOKO MATY
VELOMA RALALA
TSISY INTSONY