MBOLA MIANDRY (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Valin-kira ho an'i R.F.C "TSY HAMPIRAFY" )

Lasa nidify ilay olo-nandalo
Nenjehiko ihany, indrisy, tsy tratra
Ny hany napetrany dia tononkalo
Tononkalo mandona mandratra

Ilay maso mahasarika rehefa banjinina e
Mitopy malefaka mahate ho tia
Raha eo anilako tiako ho fihinaina
Tiako ho tantanana raha miara-dia

Fa hay izy iny efa manan-tompo
Ka tsy afaka alaina ho domoinan'ny tena
Na izany aza tsy kivy ny foko
Fa mbola miandry; mbola manantena

Antampon'Ankaratra re tsy afa-javona
Toa an'io koa ny ampitso; manjavozavo
Manakona lanitra ireo raho-miravona
Arahin'ora-miija any an'alan'Angavo

Mihovitrovitra re ny ato anatiko
Maso sisa no hany mipitrapitra
Alahelo mivangongo mila tsy ho tantiko
He! Ilay ranomaso aza moa efa ritra

Maro ny tovovavy kanto sy tsara
Ao koa reo miezaka hambabo ny foko
F'ianao irery no mahataratara
Ka avelao aho re hitia ano an-tsokosoko

Mitempo ho anao ity foko adala
Izay rehetra jerena toa ianao avokoa
Fanirina ho ny hiantso anao hoe "malala"
Manonofy foana aho ny hiarahantsika roa

Dia ho nofy tokoa ve? asa lahy
Fa tianao lotra izy ka tsy hitako ny atao
Tsy hisompatra anao fa aza manahy
Fitiavan-tena indray ny ahy raha hampahory anao

Satria ianao izao mbola tiany
Dia sarotra aminao ny hiaraka amiko
Raha sanatria kosa ka hampijaliany
Dia tongava aty fa HOSITRANIKO

ONAS FIDAR
--------
Rohy:
1003 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 27/07/2019 07:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144