You are here: home > Vetso

METEZA HOTANTANAKO - Fidy Art Niaina

Azo vakiana?

Etsy kely anie e! Ianao ry mpivahiny
Nahoana ianao no mitofezaka ka tsy mahaovoka firy?
Ny eto an-tany feno hirifiry fa ilaina ianao mitraka
Ilaina ianao miezaka...
Koa atolory ahy ny tananao
Meteza hotantanako fa mbola lavitra ny dia;
Sarotsarotra ny lalana, malama maina ihany koa
Ka etsy Rahavako hifanohana isika roa
Tsy avelako ho lavo ianao raha mbola velona koa ny aiko
Meteza hotantanako re ry sombinaiko

Fidy Art Niaina in Vetso VII

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha