NOHEVERIKO (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hazavana nandalo nantenaiko hitsilo
Tsy naharitra fa nandalo dia lasa
Raozy mba tiako fa hay misy tsilo
Antsy maranitra, indrisy, nandrasa

Noheveriko ho rano hanamando ny tenda
Ka dia nandramako, indrisy, namono
Ny lokony fotsy mampilendalenda
Hay ito poizina fa tsy ronono

Noheveriko ho ondry malemy fanahy
Hay amboadia no indro nompiana
Nanantona hisangy aho tsy nisy ahiahy
Kinanjo nokakerin'ny amboakely tiana

Noheveriko ho vorona saraka namana
Ka nompiako mba ho tamana
Nataoko hitsikitsika mba hivavahana
Hay papango nifaoka ny akoho an-tanĂ na

Noheveriko ho tany mba azo hijoroana
Hay honahona zary mandetiki
Noheveriko hahatratra ny ora-midona
Hay tsy nahandry masoandro milentika


Fidy Art Niaina in Vetso III
--------
Rohy:
869 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 05/06/2019 15:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146