TSY ADALA AKORY I DADA (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka! Tsy adala akory i Dada raha toa ka namefy ny fonao tsy hitia
Fantatro amin'ny fihetsikao fa efa nifoha ny fitiavanao
Tsapako amin'ny firesany koa fa tsy manadala izy fa tena tia
Anaka! Tsy adala akory i Dada f'izay aloha no hitako fa mahasoa anao

Hitanao anaka? Tanteraka foana ny anareo raha toa ka anjara
Fa mianara aloha! Mianara mafy! Mianara tsara!
Izy anie anaka olombelona ihany ka mety handao
Fa "ny fahaizana dia harena hirakitra foana ao an-tsainao"

Sady ianao koa anaka dia mbola kely tsy ampy taona
K'aza maika ny hanam-bady fa avy eo mbola holeo foana
Ny anareo aniae anaka fitia vao miantomboka dia maikamaika ny hivady
Tadidio anaka fa izany tokantrano izany anie ka tolona sy ady e!

"Anaka! Tsy adala akory i Dada f'izay aloha no hotako fa mahasoa anao
Tsy adala akory i Dada raha toa ka namefy ny fonao tsy hitia
Anaka! Tsy adala akory i Dada, mianara tsara aloha!

Fidy Art Niaina in Vetso VI
--------
Rohy:
855 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 21/05/2019 06:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149