VELOMA RALALA (Fidy Art Niaina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veloma, Ralala, raha tsy ho tamana
Aza miherika mitodika akory
Tsy omeko tsiny raha hiova fitàna
Ndehana re! Ny lalanao zory

Tongotra ila manjary mandringa
Fa nilaozanao aho ka dia indrisy...
Tapaka tehina; very ny ampinga
Nangaina satria nanantena tsy nisy

Lapa ho fonenako fasa-mangina
Fahafatesana nantsoina niriana
Ny miaina eto an-tany toa manorisory
Fara-fahasambarana dia ny matory

Tsy mirediredy aho na hoe lasa adala
Fa afaka ho aiza rehefa tsy tiana?
Veloma tsy fidiny, hono, Ralala
F'ity havanao efa an-dalam-podiana

Fidy Art Niaina
--------
Rohy:
942 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 13/09/2019 09:31
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155