Joyeux anniversaire (Fiffi)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
10 taona ianao ry serasera
10 taona tsy nisy mpanera
fa tonga tao daholo
na ankizy na tanora na olon-dehibe
ary hanao korana be

10 taona zany
hampafantarina eran-tany
fa ny firaisan-kinan'ny gasy
tsy atao mihafihafy

hita ao amin'ny serasera
izay dinika tian'ny mpisera
mandray anjara avokoa
ny mpikambana ankehitriny na taloha

midika zany fa ny serasera
dia tian'ny mpisera
raha tsy zany ve
handaniana fotoam-be

hita ao daholo
na dinika na lalao
samy mamaky izay tiany
izay tsy voavaky hialana tsiny

be ny dinika azo hisafidianana
ny fotoana indraindray no manakana
ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra
tsy ho irery ianao fa misy manavotra

hita ao daholo na namana na mpandalo
tsy mitsahatra koa ny mpikalo
na ny fanokafana dinika na ny tononkalo
hita ao avokoa izay mahasoa

ny serasera dia tsy misy vavahady
afaka miditra ao na ny alahady
tao aza nisy nahita vady
midika zany fa ny firaisankina tsy mba ady

tsiky dia ampy
ary tena nanampy
ny firaisan-tanana
mba ho mpikambana

ao ny Antson'ny fo
ny artista sy hira ko
raha misy tadiavianao
aza misalasala fa lazao

ny Fankaherezana sy ny Firariantsoa
miandry anao avokoa
ny Fiaraha-monina , sy ny Eritreritra mandalo
ary raha mba hampianao Tononkalo ?

ny Politika sy Soso-kevitra
raha misy lazaina hiadian-kevitra
ny Tetikasa sy vinavina ary Toekarena
tsara ho an'ny firenena

ao amin'ny Hoy ny gazety
no ahitana ny Vaovao tselatra
mba jerijereo raha mety
mba hidirana an-tsehatra

ao koa ny Takelaka mahaliana
ary tena mahavariana
ny ao amin'ny Tontolo iainana
izay milaza ny momba ny fiainana

ny Tsetsatsetsa tsy aritra
izay nohamafisin'ny Vavolombelona
dinika mijanona maharitra
natokana ho an'ny olombelona

ny Fanabeazana sy ny Fahasalamana
dia dinika tena mahatamana
hita ao avokoa na mpitsabo na toro-hevitra
malalaka ho an' ireo izay manan-kevitra

ny Fanatanjahantena sy ny Fiarakodia
haingana ery ny mpamaly sy mpankafia
fa tandremo fa ao koa ny Hoy ny lalàna
misy ireo taratasy izay vita sonia

ny Sarimihetsika sy ny Informatika
izay natokana ho antsika
mba hialana voly isan'andro
na amin'ny alina na amin'ny atoandro

ao koa ny Resa-dehilahy sy ny Resa-behivavy
ahitana soso-kevitra na salama na manavy
tsy hadino koa ny Fitiavana
tena hilaina miaraka amin'ny finiavana

ny Fivavahana, finoana
tsy atao Hatsikana sy lalao
fa misy ny zaridaina
ahazahoana maka aina

ny diaspora sy ny Kolotsaina
azo alaina sary sy an-tsaina
ka hampiana vetso.serasera
fa tsy hasiana misitery

Momba ny serasera moa izany
dia ahitana resaka ihany
ka hilazana ny Fety sy fihaonana
hiarahana amin'ny Sakafo sy ny fiomanana

Ho ela velona anie ianao ry "serasera"
hitombo hatrany ny mpisera
hitohy hatrany koa ilay hoe "tsiky dia ampy"
Satria ianao no tena mpanampy
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
4405 1
Hevitra mandeha
Mysento ( 10/09/2009 11:14)
Tsara kah,ny fo sy saina,fitiavana nanambatra ilay vetso ,ary koa ny finiavana dia :Mahafinaritra! Mankasitraka
ikalamako ( 09/06/2019 11:04)
ary dia atý amin'ny 20 taona isika izao... ho ela velona foana foana serasera ! tsiky dia ampy tsisy miala eto.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fiffi
Nampiditra : Fiffi
Daty : 07/09/2009 09:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098