Noely fiadanana (Fré)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Shhh! ataovitaovy am ze itiavanareo azy le Noely de...
fetifeteo am fahitanareo azy !
Ankalazao am kalaza, sambàra am sabatra de...
Ataovy mipopoka am basy, kalak! kalak! kalak!

Hummm!

Ny ahy ? ao ampoko lalina ao,
ataoko hira vaovao.
Tsy be talao na koa toloko fa... izay vetsompoko,
hitambarako amin'ny TIAKO.

Hiombonako amindriko nefa no mba faniriako.
Ka izaho sy ianao izao hanao noely vaovao.
Tsy ilay fahitanao "Fetin'ny analinkisa" saingy "Fety jentilisa"!!!!!
Fety fanaranampo tsy misy fahadiovampo!

Aoka ho fety tena soa, hankalazana an i Jesoa!
Tsy fety hatao ho fialamboly... ampidirana devoly!
Tsy fetin'ny fihinanan-kanina fa ho kristianina!
Fety tsotra laoka anana fa... Fety feno fiadanana!
SHALOM !
--------
Rohy:
Sokajy : Noely - Fety - Vavaka
2155 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fré
Nampiditra : fredelire
Daty : 26/12/2015 19:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135