AO AM-PO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AO AM-PO





Ao am-po, ny fitiavana
mitory fahasambarana,
tsy tia manavangavana
sy tsy misy fitsaharana.




Ao am-po, ny finoana
katsahin'ny olombelona
tsy mivoy ny fisentoana
mitady hiselontselona.




Ao am-po, ny fiadanana
imatimatesan'ny mijaly
fohazina hananganana
ny tsara noho ny omaly.




Ao am-po, ny fitoniana
nofisina hahombiazana
mampilamina mangina,
na teo ny fahavoazana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
547 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 08/11/2019 14:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148