BORIBORY - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
BORIBORY
Boribory ny tany
ka mihodina ihany
hanova ny lasa
ho tsara fikasa.
Boribory ny tany
ka mihasesilany
ny soa sy ny tiana
hanome fitahiana.
Boribory ny tany
ka simba sy lany
ny sento rehetra
nampitsetsetra !
Boribory ny tany
ka manana akany
ny fo sy ny saina
toa ela nangaina.
Boribory ny tany
ka efa any ho any
ny jaly nampikoro
ny tena tsy hijoro !
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/10/2009
Mpamangy : 860
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
JIROTSY KAMBOTY
MISAOTRA NY MARAINA
LITERATIORAN'NY MASO
REHEFA MAHORY
TSAROAKO FOANA
NY POETY (2)
NY FAHATSORANA
SAFIDIM-PIRENENA
SAKAFON-TSAINA