ENIMPOLO TAONA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
ENIMPOLO TAONA
Enimpolo taona
ny fahaleovantena
fa mbola mivaona
ny tany ka sorena.
Enimpolo taona
ny fahaleovantena
fa mbola ny noana
no feno mahonena.
Enimpolo taona
ny fahaleovantena
fa dia mahamoana
ny jaly tsy mihena.
Enimpolo taona
ny fahaleovantena
fa mahantra foana
ny olom-pirenena.
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 22/08/2021
Mpamangy : 154
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
JIROTSY KAMBOTY
MISAOTRA NY MARAINA
LITERATIORAN'NY MASO
REHEFA MAHORY
TSAROAKO FOANA
NY POETY (2)
NY FAHATSORANA
SAFIDIM-PIRENENA
SAKAFON-TSAINA