You are here: home > Vetso

FOTSIM-BARY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




FOTSIM-BARY





Nahita fotsim-bary
ka ravo sy sahirana
'ty olon-tsy manjary
tsy tsara hifikirana.




Nahita fotsim-bary
ka manararao-paty
ny azo an-karihary
fa tsy soa poak'aty.




Nahita fotsim-bary
ka mangalatra avy,
miseko tsy mirary
antsika mianakavy.




Nahita fotsim-bary
ka voky sy matory ;
azo alaina an-tsary
fa tsy mahalala ory.




Fredy JAOFERA



Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 05/08/2020
Mpamangy : 270
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

AFO
'TY FITIAVANA 'TY
ANARANA
REHEFA MINO
NANDRITRA NY NITIAVAKO
TARARAKA ANEFA...
FIALOFANA
NIZAKA
TONGA ALOHA
VERY ANDRO