You are here: home > Vetso

HARIVARIVA ATY ANDAFY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


HARIVARIVA ATY ANDAFY





Harivariva aty andafy,
manembonembona any ;
alahelo no inty manafy
ny orako ho be tomany.




Harivariva aty andafy
ka manimanina eto izao ;
rivodrivotra inty mifafy,
sentosento tsy mandao !




Harivariva aty andafy
ka irery toa mpivahiny ;
ao tokoa ny nampihafy
tadidy lava ankehitriny.




Harivariva aty andafy
ka mivazo ny niaviana
ao anaty hatsiaka mafy
no farany re tsindriana.




Fredy JAOFERA



.

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 06/12/2021
Mpamangy : 213
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

FOTAKA
NY TSARA
ERITRERETO NY LASA
FINOANA NY AVO
NIAINA
ILAY TAKARIVANTSIKA (2)
HADALAN-DRENY
I LOVE YOU
MY DEAR
TSY IRERY