IZAY MISY FIALONANA... - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
IZAY MISY FIALONANA...
Izay misy fialonana,
misy korontana
sy ireo fifandonana,
sarotra avotana !
Izay misy fialonana,
misy haratsiana,
na ho takontakonana
mody tsy tiana.
Izay misy fialonana,
itoerana ahiahy
tsy mba iombonana
etoana, ry lahy.
Izay misy fialonana
misy haresena,
na ny ho vovonana
no efa kendrena.
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 26/09/2015
Mpamangy : 1574
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
HIPOITRA NY KINTANASAINA AMBANY
HABOBO
MIREMBY
VOLA NY FOTOANA
ANDOSIRO
NY POLITIKAN'NY TROSA
NY TENY MISY FANAHY
NY OTA
NY TORITENY