You are here: home > Vetso

IZAY MITAMBATRA VATO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


IZAY MITAMBATRA VATO




Izay mitambatra vato,
izay misaraka fasika
no ilaina in-jato
vao hidadasika.



Izay mitambatra vato,
izay misaraka very
no asesy tsy miato
vao hanan-kery.



Izay mitambatra vato,
izay misaraka ho voa
no tiana ato ho ato
tsy hanary tokoa.



Izay mitambatra vato,
izay misaraka avela
no be mpanarato
hatramin’ny ela.




Fredy JAOFERA


Hevitra mandeha

rainstorm (19/12/2010 15:49:17)

Te-hanontany aho hoe tena an'i Fredy JAOFERA mpaniratra ve ity tononkalo ity?

Hametraka hevitra

Midira aloha