You are here: home > Vetso

JAFA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



JAFA



Maninona, ho'aho, izato tany
manjombona sy maizin-dava ?
Rahoviana no tsy hisy tomany
ny midona ka afaka hisava ?



Nahoana no dia tahaka izao
'zato fiainana be manadala ?
Nahoana fa dia tao ho ao
sentosento be mpankahala ?



Nankaiza ireo hoe fifaliana
no voady no sisa lazaina ?
Nahoana no nampijaliana
'ty raozy oriory nangaina ?



Naninona ireo kalontsika,
navadika ho kalo mangidy ?
Rahoviana no hoe hibaliaka
'ty foko mba manan-tsafidy ?




Fredy JAOFERA

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha