MAHASOA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
MAHASOA
Mahasoa ny fahoriana
fa tsy mampipetrapetraka,
na dia izay no irariana
rehefa indro valaketraka.
Mahasoa ny fijaliana
fa tsy mba mitondra tory
rehefa eo ny tsy tiana
toa maro be manorisory.
Mahasoa ny fihafiana
fa tsy mampalaina hiasa
tsarovy, na rahoviana
fa vao mainka, mikasa !
Mahasoa ny fanahiana
fa tsy mampitony hisaina,
na dia eo ny fanaviana
mamely eto vao maraina.
Fredy JAOFERA
Sokajy :
ahy, Aingam-panahy, Alahelo, Eritreritra mandalo, Fahatsiarovana, fananarana, fiainana, Fiaraha-monina
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 24/07/2022
Mpamangy : 165
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MAFY TORIMASOMIANARA
OMEO
AM-PITIAVANA
REHEFA TSARA IANAO
INDRAY LOHATAONA
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA
HIPOITRA NY KINTANA
SAINA AMBANY
HABOBO