MATOA AHO MANGATSIAKA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
MATOA AHO MANGATSIAKA
Matoa aho mangatsiaka
dia nahitana lesona
ny tany raha azo adika
ka tsy nampiesona.
Matoa aho mangatsiaka
dia nahory marina
ny tontolo be nandriaka
namenoana harina.
Matoa aho mangatsiaka
dia fay ny fosafosa
tsaroana ho nampihika
fony nisy miavosa.
Matoa aho mangatsiaka
dia tiany ny adiady,
sady izay moa manalika
ka tsy mba fitady.
Fredy JAOFERA
Sokajy :
ahy, Aingam-panahy, Alahelo, Eritreritra mandalo, Fahatsiarovana, fananarana, fiainana, Fiaraha-monina, Fiononana, Fisarahana
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 13/09/2022
Mpamangy : 210
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MAFY TORIMASOMIANARA
OMEO
AM-PITIAVANA
REHEFA TSARA IANAO
INDRAY LOHATAONA
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA
HIPOITRA NY KINTANA
SAINA AMBANY
HABOBO