You are here: home > Vetso

MATOA AHO MANGATSIAKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







MATOA AHO MANGATSIAKA





Matoa aho mangatsiaka
dia nahitana lesona
ny tany raha azo adika
ka tsy nampiesona.




Matoa aho mangatsiaka
dia nahory marina
ny tontolo be nandriaka
namenoana harina.




Matoa aho mangatsiaka
dia fay ny fosafosa
tsaroana ho nampihika
fony nisy miavosa.




Matoa aho mangatsiaka
dia tiany ny adiady,
sady izay moa manalika
ka tsy mba fitady.





Fredy JAOFERA



Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 13/09/2022
Mpamangy : 182
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

HIRA (2)
NY OLONA HENDRY
MY TEARS
KAHIE
MIFALIA
TAMBATAMBAZANA
VELOMA TSY ZAKA
REHEFA MIALA AMINAO
NY RENY TIA
REHEFA MARINA