MILA FANTARIKO - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
MILA FANTARIKO
Mila fantariko
ny mahazo anao
fa lasa rariko
ka avia tantarao.
Mila fantariko
ny zava-mamely
ka amboariko
raha ilaina kely.
Mila fantariko
ny fo mitomany
fa dia ohariko
amiko eto ihany.
Mila fantariko
ny sedra mahory
matoa loariko
fa tsy misy tory.
Fredy JAOFERA
Sokajy :
ahy, Aingam-panahy, Alahelo, Eritreritra mandalo, Fahatsiarovana, fananarana, fiainana, Fiaraha-monina, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 11/09/2022
Mpamangy : 179
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MAFY TORIMASOMIANARA
OMEO
AM-PITIAVANA
REHEFA TSARA IANAO
INDRAY LOHATAONA
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA
HIPOITRA NY KINTANA
SAINA AMBANY
HABOBO