NY FIRENEKO NO TANINDRAZAKO - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
NY FIRENEKO NO TANINDRAZAKO
Ny fireneko no tanindrazako
ngeza avy tamin'ilay Nahary
ho reharehako sy ho lazako,
na dia tsy hita ho lavorary !
Ny fireneko no tanindrazako
nandatsahana an'ity tavony,
satry ery ho fahombiazako
tsy hampahory ahy intsony.
Ny fireneko no tanindrazako
mba holovain'ireo taranaka
matoa izany no amohazako
indrindra amin'ny zanaka.
Ny fireneko no tanindrazako
manan-kasina sy lavi-tsiny
raha hatramin'izao, giazako
tsy hobodoin'ireo vahiny !
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 25/06/2021
Mpamangy : 202
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
REHEFA MAHORYTSAROAKO FOANA
NY POETY (2)
NY FAHATSORANA
SAFIDIM-PIRENENA
SAKAFON-TSAINA
TSY MISY AFA-MAINA
AZA IFIKIRANA
TSY MANAN-KATEZERANA
NY HATEZERANA