NY FOKO SY NY FONAO (2) - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
NY FOKO SY NY FONAO
Mazava tsy azo takonana,
tsy ravan’izay fialonana,
tsy taitran’izay maso vao
raha ny foko sy ny fonao.
Ny Avo no efa nanambatra,
natao hiaraka ho sambatra,
natao hiaraka hiangola,
hitobaka harena sy vola.
Ny Anjara no efa nametra
hibaiko ny zava-drehetra
ary hitondra ity tany ity
haneho ilay tena fitia.
Ny Lahatra no efa voatendry
handrafitra soratra hendry,
hampitombo ireo voninahitra
hitsimoka tahaka ny ahitra.
Ny Vintana no efa voambara
hitetika ny soa sy ny tsara,
hivatsy izay hoe hafaliana
notadiavina sy mba nofidina.
Ny taona no mbola hifanesy
hampiainga mbola handresy;
fa ny foko sy ny fonao
dia najoro tsy hifandao.
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 29/10/2021
Mpamangy : 406
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LITERATIORAN'NY MASOREHEFA MAHORY
TSAROAKO FOANA
NY POETY (2)
NY FAHATSORANA
SAFIDIM-PIRENENA
SAKAFON-TSAINA
TSY MISY AFA-MAINA
AZA IFIKIRANA
TSY MANAN-KATEZERANA