NY NOELY (Fredy Jaofera)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NOELY





Ny Noely dia fiarahana
amin'ireo olona tsy foy
vao soa hahazo vahana
ny hasambarana, re roy.




Ny Noely dia hafaliana
hisy haingo ny ririnina,
ho maro ny hamamiana
na ny havana hofihinina.




Ny Noely dia fihaonana
mampitory ny fiadanana,
mbola tokony hitaonana
ny mijaly sy tsy manana.




Ny Noely dia fitiavana
raha injao ankalazaina,
ary andro iray goavana
misy Tompo antenaina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/fredy-jaofera/ny-noely
405 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 24/12/2021 01:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.6427