NY RAY - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
NY RAY
Ny ray no nahitana masoandro
ka mbola hajaina isan'andro,
omena ny fitiavana marina :
tena izy fa tsy namboarina.
Ny ray no nampianatra lava
ny tokony ho hay lalandava,
ny ezaka ho tonga mba olona,
na inona no ady sy tolona !
Ny ray no nikiry aok'izany
hahasoa foana eto an-tany,
hahavanona ny sombiniaina
raha indro fa lasa maraina.
Ny ray no natokana ho andry
ho namana mba hahatafandry,
ho harena tsy azo hadinoina,
ambara ho tsy azo soloina !
Fredy JAOFERA
Sokajy :
Aingam-panahy, Fahatsiarovana, Fety, fiainana, Fianakaviana, Fiaraha-monina, Fifaliana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 14/06/2013
Mpamangy : 1082
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
REHEFA MAHORYTSAROAKO FOANA
NY POETY (2)
NY FAHATSORANA
SAFIDIM-PIRENENA
SAKAFON-TSAINA
TSY MISY AFA-MAINA
AZA IFIKIRANA
TSY MANAN-KATEZERANA
NY HATEZERANA