You are here: home > Vetso

NY RENY TIA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NY RENY TIA





Ny reny tia,
tsy mba manaratsy,
na sanatria,
te hanimba vatsy.




Ny reny tia,
tsy mba manambany
fa ho doria,
manondrotra hatrany.




Ny reny tia,
tsy mba manangoly
ka mangia
tsy ahafaha-miala voly.




Ny reny tia,
tsy mba manakivy
na anjoria
mifono be angivy.




Fredy JAOFERA