REHEFA MIALA AMINAO - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
REHEFA MIALA AMINAO
Rehefa miala aminao ny olona ratsy
dia mipoitra ho azy ny zavatra tsara,
ho tojo amin'izay rehefa atsy ho atsy
ny nofinofy maro tsy manam-piafara.
Rehefa miala aminao ny olona adala
dia mitoetra etoana ireo lamin-tsaina,
rindra daholo tsy mba manan-tsahala
ireo andro rehetra tsy hay tantaraina.
Rehefa miala aminao ny olona miady
dia fiadanana ery no tonga matetika,
hafaliana avokoa no tsapa mianjady,
zary fiainam-baovao nisy voatetika.
Rehefa miala aminao ny olona miebo
dia mahasoa avy izay lalan-kizorana,
tsy ananana intsony ny misalebolebo
fa tonga anjakan'ny tena fahatsorana.
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/11/2022
Mpamangy : 170
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MAFY TORIMASOMIANARA
OMEO
AM-PITIAVANA
REHEFA TSARA IANAO
INDRAY LOHATAONA
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA
HIPOITRA NY KINTANA
SAINA AMBANY
HABOBO