SAINA AMBANY (Fredy Jaofera)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAINA AMBANY





Saina ambany
ny fandoroany,
tsy hay ialany
fa haravoany.




Saina ambany
ny fanimbana,
tsy hanihany
fa hadalana.




Saina ambany
ny famitahana,
loza hatrany
tsy iarahana.




Saina ambany
ny fihemorana,
mijaly ny tany
raha ifotorana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/fredy-jaofera/saina-ambany
119 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 25/01/2023 10:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2257